Académie Fahombiazana Mitarika, manampy, manosika anao any amin'ny Fahombiazana


Misy fanontaniana tianao
apetraka ve ?

Efa nisoratra anarana ianao ? ampidiro eto ambany ary ny e-mail sy ny mot de passe-nao :

Adiresy e-mail

Mot de passe

Adino ny "mot de passe" ?

Mbola tsy nisoratra anarana ? Cliquer-o eto


1 volana GRATUIT!

 

Inona moa ny Académie Fahombiazana ?

(Ampiakaro ny volume amin'ny hauts-parleurs ampiasainao dia alefaso ny vidéo eto ambany)

 

Ny Académie Fahombiazana dia sehatra iray eto amin’ny Internet ahafahanao mianatra ireo teknika manampy anao ahita fahombiazana eo amin’ny fiainana. Natokana ho an’ny Malagasy tanteraka izy inty ary amin’ny teny Malagasy ihany no ifandraisana eto (na dia mety mampiasa teny vahiny kely aza indraindray eny an-tsefatsefany eny, mba mora ahazoana ny resaka).

Betsaka ireo zavatra azonao ianarana ato amin’ny Académie toy ny (santionany ihany ireto) :

  • Développement personnel
  • Psychologie pratique
  • Leadership, communication
  • Intelligence financière
  • sns

Mianatra toy ny any amin’ny oniversite ireny no ataonao ato amin’ny Académie. Izany hoe misy « cours » omena anao (amin’ny endriny « texte » vakiana, na koa « audio » henoina, MP3, na koa vidéo, …).

Azonao atao ny mametraka fanontaniana, na koa mifanakalo hevitra mihitsy amin’ny mpampianatra.

Misy koa ireo fanadinana na fitsapam-pahaizana izay afaka ataonao mba hijerenao ny fahazoanao ireo fampianarana maro noraisinao.

Marihana fa malalaka tanteraka ianao ato amin’ny Académie ka afaka mijanona amin’izay fotoana tianao hijanonana, na koa manohy indray amin’ny fotoana tianao hanohizana.

Arakaraky ny fandehan'ny fotoana ny hirosoanao amin’ny fianarana. Isaky ny miditra volana iray vaovao ianao dia mazava ho azy fa fampianarana avo lenta kokoa, lalina kokoa hatrany no ho azonao. Kanefa koa, arakaraka ny maha avo lenta ireo fampianarana no ahatonga anao hivoatra kokoa amin’ny fampiharana azy ireo.

Marihana fa isan-kerinandro ianao no mahazo fampianarana vaovao (fa tsy isanandro). Izany no natao dia mba hanananao fotoana handinihana sy hisaintsainana tsara ireo fampiarana azo. Raha diso mibosesika be loatra manko ny fanomezana ny fampianarana dia mety tsy ho voaray tsara izany fa lalovana fotsiny.

Manorata anarana eto ambany dia mahazo IRAY (1) VOLANA MAIMAIM-POANA (GRATUIT) ianao amin'ny fampianarana sy ny zavatra rehetra omena ato amin'ny Académie. Tolotra fanandramana na "période d'essai" inty (Cliquer-o eto hahalalanao hoe inona avy ireo ho azonao ao anatin'izany iray volana maimaim-poana izany)

 

Fenoy ny formulaire eto ambany :

Ny anaranao
Fanampin'anarana
Telefaonina
Cocher-o raha any an-dafy ianao (ivelan'i Madagasikara)
Adiresy e-mail
Avereno ampidirina ny adiresy e-mail

* Raha tsy manana adiresy e-mail ianao dia mamorona ato

 

Safidio izay "mot de passe" tianao

Avereno ampidirina eto ilay "mot de passe" nosafidianao

 

Afaka ampidirinao eto koa ny anaranao amin'ny profil Facebook-nao dia tonga dia alefanay any ny fampianarana (avelao vide fotsiny raha tsy te hanao an'izay ianao) - Marihana fa ny fampitana ny vaovao hafa rehetra dia amin'ny e-mail ihany ka mila mijery mail matetika foana ianao

 

Code parrainage*
Code Promo Spécial*


* Aza fenoina raha tsy fantatrao

Teny kely avy amin'ny mpianatra ato amin'ny Académie

"Ny tena hitako fa tsara dia maro dia maro ny fahalalana azo ato, tsy mijanona na miompana amina zavatra iray fa mivelatra ihany koa." - Andry

 

" Raha ny zava-tsoa nentin'ireo fampianarana nomena maro samihafa ao anatin'ity site web ity dia tena maro dia maro tokoa. Anisan'ny tena nanova tanteraka ny fomba fijeriko amin'ny fihariana ara-bola ireo fampianarana rehetra nomena.

Anisan'ny tena nanampy ahy hiova tanteraka amin'ny fahazarana andavan'andro koa sy nanampy ahy mba handroso kokoa, ary amin'izao fotoana izao dia efa tsapako miroso tsikelikely ho any amin'ny fahombiazana ara-bola ny tenako Mahatsapa fa efa manomboka tafiala amin'ny tahotra, ary sahy maka risika hatrany amin'ny zavatra atao.

Lasa fahazarana ho ahy isan'andro koa ny fikarohana "valeurs" omena ny olona" - Rija

 

" Tsara dia tsara avokoa ny fampianarana ary hita ho mitondra fihavaozan-tsaina sy manome hery sy ainga vao mitarika amin'ny fananana toe-tsaina tsy mora kivy fa vonona hiatrika sy hisendra ary hihoatra izay sakana rehetra manelingelina tsy hahatongavana amin'ny fahombiazana" - Joela Tahina

 

" Ny soa azoko tato amin'ny Académie Fahombiazana :

Nanova zavatra maro teo amin'ny fiainako ilay izy.

1- Nanapakevitra aho fa tsy hiasa amin'ny société intsony fa hanangana asa tena sady misy liberté.

2- Nanova ny toe-tsaina. Tia sy mikatsaka fahombiazana hatrany.

3- Manana hevitra mampandroso azo zaraina amin'ny namana sy ny mpiara-belona.

4- Resaka spiritualité : lasa toy ny fahazavana, mahay mitambatra amin'ny zavatra rehetra, be fitiavana, manana filaminana anaty " - Hery Lala