(Ampiakaro ny volume amin'ny hauts-parleurs ampiasainao dia alefaso ny vidéo eto ambany)
Ny Académie Fahombiazana dia noforonina mba hanampy ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba hiroso sy hivoatra eo amin’ny fiainana. Izany no nanaovana ny site web sy ny fampianarana rehetra amin’ny teny Malagasy.
Resy lahatra tanteraka izahay amin’ny hoe tsy misy afaka antenain’ny tsirairay amin’ny fahazoany fahombiazana amin’ny fiainana afa-tsy ny tenany ihany. Izay no antony ilana ny manovo fahalalana tsy an-kijanona momba ny fikatsahana fahombiazana satria zavatra tsy mba nampianarina tany am-pianarana na tany amin’ny oniversite izany.
Ny zavatra nampianarina antsika tany an-tsekoly dia ny fahaizana sy ny fahalalana momba sehatra iray na maromaro (tenim-pirenena, kajy, mathématiques, siansa, …). Fahaizana ara-teknika no ankamaroany fa kely dia kely na tsy misy mihitsy aza ny momba izany hoe fomba fiatrehana ny fiainana izany, na koa hoe ahoana ny toe-tsaina mitondra mankany amin’ny fahombiazana.
Ary satria moa tsy nanomana antsika amin’ny fiainana ny sekoly sy oniversite, ary tsy afaka nampianatra antsika koa hoe aiza ny lalana any amin’ny fahombiazana, dia tsy mahagaga raha betsaka ny olona – indrindra eto Madagasikara – no sahirana ara-pivelomana (na dia ireo manam-pahaizana sy be diplaoma aza), na koa miaina tsara ihany saingy toa tsy afaka mivoatra sy mandroso intsony.
Tari-dalana sy fanombohana ihany angamba no ataonay ato amin’ny Académie Fahombiazana, fa mino izahay fa betsaka ireo hanara-dia anay amin’ity ataonay ity. Mino tanteraka koa izahay fa vitantsika Malagasy rehetra tsirairay tsy an-kanavaka ny manova ny fiainantsika ho fiainana ananantsika rehetra ny ampy, iainantsika milamina tsy misy korontana toy ny teo aloha intsony, ary indrindra hanatanterahantsika ny nofinofintsika tsirairay avy.
Teny kely avy amin'ny mpianatra ato amin'ny Académie
"Ny tena hitako fa tsara dia maro dia maro ny
fahalalana azo ato, tsy mijanona na miompana amina
zavatra iray fa mivelatra ihany koa." - Andry
" Raha ny zava-tsoa nentin'ireo fampianarana nomena
maro samihafa ao anatin'ity site web ity dia tena maro dia
maro tokoa.
Anisan'ny tena nanova tanteraka ny fomba fijeriko amin'ny
fihariana ara-bola ireo fampianarana rehetra nomena.
Anisan'ny tena nanampy ahy hiova tanteraka amin'ny
fahazarana andavan'andro koa sy nanampy ahy mba
handroso kokoa, ary amin'izao fotoana izao dia efa
tsapako miroso tsikelikely ho any amin'ny fahombiazana
ara-bola ny tenako
Mahatsapa fa efa manomboka tafiala amin'ny tahotra, ary
sahy maka risika hatrany amin'ny zavatra atao.
Lasa fahazarana ho ahy isan'andro koa
ny fikarohana "valeurs" omena ny olona" - Rija
" Tsara dia tsara avokoa ny fampianarana ary hita ho
mitondra fihavaozan-tsaina sy manome hery sy
ainga vao mitarika amin'ny fananana toe-tsaina tsy
mora kivy fa vonona hiatrika sy hisendra ary
hihoatra izay sakana rehetra manelingelina tsy
hahatongavana amin'ny fahombiazana" -
Joela Tahina
" Ny soa azoko tato amin'ny Académie Fahombiazana :