Herinandro voalohany : Fampianarana momba ny « point de départ » iaingana irosoana any amin’ny fahombiazana.
Herinandro faharoa : Fampianarana momba ny fampiasana ny « eritreritra » mba hanampy anao handroso amin’ny fiainana.
Herinandro fahatelo : Ireo torohevitra 6 izay mahatonga anao ho « expert » ikoizana amin’ny sehatra misy anao, na tsy manana diplaoma na iray aza ianao !
Herinandro fahaefatra : Fampianarana momba ny fomba fiatrehana ny sakana mitranga amin’ny fiainana. Ahoana no hamadihana izany ho fanoitra manosika any amin’ny fahombiazana.
* Ny lohahevitra ianarana amboniny amin’ity ambaratonga ity dia ny atao hoe « Maîtrise financière »
Herinandro voalohany : Ny fomba fahitana ny vola amin’ny sarangan’olona samihafa. Ny fomba fijery iray manosika ny olona hivoatra ara-bola, ny fomba fijery iray kosa dia miteraka fahasahiranana.
Herinandro faharoa : Ny fiaraha-monina iainantsika sy ny vola. Inona ireo sakana apetraky ny fiaraha-monina izay mahatonga ny olona sahirana ara-bola.
Herinandro fahatelo : Inona no ataon’ny manam-bola ka mahatonga azy manana ary mijanona ho manana (izay tsy ataon’ny tsy manana ary mahatonga azy ireo ho sahirana lava).
Herinandro fahaefatra : Toe-tsaina roa (2) mifanipaka eo amin’ny manana sy ny tsy manana. Inona avy izy ireo ary inona no aterany.
Manorata anarana eto ambany ary dia mirary anao mba hiroso hatrany amin'ny fiainana ary hahatratra izay tanjona rehetra kendrenao. Tonga dia azonao jerena avy hatrany ny fampianarana amin'ny herinandro voalohany (maimaim-poana izany).
Fenoy ny formulaire eto ambany :
Teny kely avy amin'ny mpianatra ato amin'ny Académie
"Ny tena hitako fa tsara dia maro dia maro ny
fahalalana azo ato, tsy mijanona na miompana amina
zavatra iray fa mivelatra ihany koa." - Andry
" Raha ny zava-tsoa nentin'ireo fampianarana nomena
maro samihafa ao anatin'ity site web ity dia tena maro dia
maro tokoa.
Anisan'ny tena nanova tanteraka ny fomba fijeriko amin'ny
fihariana ara-bola ireo fampianarana rehetra nomena.
Anisan'ny tena nanampy ahy hiova tanteraka amin'ny
fahazarana andavan'andro koa sy nanampy ahy mba
handroso kokoa, ary amin'izao fotoana izao dia efa
tsapako miroso tsikelikely ho any amin'ny fahombiazana
ara-bola ny tenako
Mahatsapa fa efa manomboka tafiala amin'ny tahotra, ary
sahy maka risika hatrany amin'ny zavatra atao.
Lasa fahazarana ho ahy isan'andro koa
ny fikarohana "valeurs" omena ny olona" - Rija
" Tsara dia tsara avokoa ny fampianarana ary hita ho
mitondra fihavaozan-tsaina sy manome hery sy
ainga vao mitarika amin'ny fananana toe-tsaina tsy
mora kivy fa vonona hiatrika sy hisendra ary
hihoatra izay sakana rehetra manelingelina tsy
hahatongavana amin'ny fahombiazana" -
Joela Tahina
" Ny soa azoko tato amin'ny Académie Fahombiazana :